Syriana 2,000 eo ho eo nandositra ny herisetra tao an-tanindrazany no niampita nankany Tiorkia tao anatin'ny 48 ora, fitomboana lehibe teo amin'ny isan'ireo Syriana mpitsoa-ponenana mialokaloka any Torkia ankehitriny, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny tamin'ny Alarobia.
Nilaza ny mpitondra tenin'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Tiorka Selçuk Ünal fa ny onjam-pahatongavana farany indrindra dia nahatonga ny fitambaran'ny isan'ireo Syriana mpitsoa-ponenana tao Torkia ho 29,500 teo ho eo, ny fialofana avo indrindra ao Tiorkia hatramin'ny nanombohan'ny fikomiana 15 volana lasa izay.
Anisan'ireo mpitsoa-ponenana vaovao 2,000 ny olona 43 naratra izay naiditra hopitaly tany Tiorkia, hoy i Ünal.
Nanome fialofana ho an'ny Syriana maherin'ny 50,000 i Tiorkia nanomboka tamin'ny Martsa 2011 saingy an'arivony no niverina nody tany Syria.



