Nandresy fe-potoana fahatelo teo amin'ny fitondrana ny filoha Aliyev, nahazo vato 84.68%.
Ny filoha Azerbaijani, Ilham Aliyev, dia voafidy indray tamin'ny fifidianana ny alarobia, nahazo vato 84.68%. Ny filoha Aliyev, izay nandimby ny rainy, dia teo amin'ny fitondrana nandritra ny folo taona. Nahazo fe-potoam-piasana fahatelo amin’ny maha filoham-pirenena azy izy. Manodidina ny 8%-n'ny vato no azon'ny mpitarika ny mpanohitra Jamil Hasanli. Ny filoha Tiorka Abdullah Gul sy ny praiminisitra Recep Tayyip Erdogan dia nanolotra ny fiarahabana an'i Aliyev noho ny fandreseny.
Gazety Tiorka



