Niseho mivantana tamin'ny fahitalavitra ny lehiben'ny tafika Ejiptiana, nanambara ny fampiatoana ny lalàmpanorenana.
Nilaza ny jeneraly Abdul Fattah Al-Sisi, notronin'ny mpitondra fivavahana sy miaramila, fa handray ny fahefan'ny filoham-pirenena ny lehiben'ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana.
Ny fanambarany dia midika fa tsy eo amin'ny fitondrana intsony ny filoha Mohammed Morsi.
Nihoby mafy ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny Morsi tao amin'ny kianja Tahrir ao Kairo ho setrin'ny kabary.
Taorian'ny fihetsiketsehana an-dalambe nandritra ny efatra andro nanoherana an'Atoa Morsi, sy ny ultimatum navoakan'ny miaramila izay tapitra ny alarobia tolakandro ny hetsika.
Tsy fantatra ny toerana misy an'Andriamatoa Morsi amin'izao fotoana izao.
BBC



