Ny praiminisitra Recep Tayyip Erdoğan androany dia niantso an'i Frantsa sy Alemana mba handray fepetra manoloana ireo trangan-javatra vao haingana manohitra ny maha Silamo any amin'ny fireneny, nandritra ny lahateniny tamin'ny kaongresin'ny antokony tao Ankara.
“Miantso an'i Alemaina aho. Tsy manaiky ny fihetsika manohitra ny vehivavy misaron-doha izahay,” hoy i Erdoğan. Ny afisy vao haingana navoakan'ny Minisiteran'ny Atitany Alemana dia nanao dokambarotra antso an-tariby ho an'ireo manahy sao misy namana na olona ao amin'ny fianakaviana iray mitodika any amin'ny finoana silamo mahery fihetsika, hoy i Erdoğan.
Niantso an'i Frantsa ihany koa izy mba handray fepetra amin'ny “krizy sariitatra”, miresaka ny sariitatra maneso ny Mpaminany Muhammad izay navoakan'ny gazety frantsay vao haingana.
Nivoady ihany koa i Erdoğan fa hanohy ny ezaka ataony amin'ny fanaovana ny Islamophobia ho heloka fankahalana ekena ao Tiorkia sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
“Heloka feno fankahalana ny Islamophobia. Tsy azo leferina amin'ny anaran'ny fahalalahana miteny ny fanevatevana ny Mpaminany [Islam] Muhammad. Tsy fahalalahana miteny izany, tsy fanajana ny fahalalahana izany,” hoy i Erdoğan.
“Miroso amin’ny dingana eto an-toerana sy iraisam-pirenena izahay izao. Ny minisitry ny raharaham-bahiny dia manao fifanakalozan-kevitra [momba ny olana] amin'ireo mpitondra eran-tany,” hoy i Erdoğan, mampahatsiahy ny antsony teo aloha ho fandrarana ny fanafihana ny soatoavina ara-pivavahana sy masina. Nilaza ihany koa i Erdoğan fa tsy azo ekena ny tsy eken'ny Tandrefana ho heloka mihatra amin'ny maha-olombelona ny Islamophobia, na dia nekeny ho heloka manohitra ny maha-olombelona aza ny fanoherana ny Jiosy.
(Hürriyet Daily News)


