Nisy fipoahana lehibe iray tao Ankara nahafaty 28 farafahakeliny ary 61 no naratra, hoy ny tompon'andraikitra Tiorka.
Fiara feno baomba no nirefodrefotra rehefa nandalo ny fiara fitateram-bahoaka. Teo akaikin'ny parlemanta sy ny foiben'ny miaramila ao Torkia no nitrangan'ilay fipoahana.
Nantsoin'ny manampahefana Tiorka ho “hetsika fampihorohoroana” izany.
Ny sasany tamin'ireo niharam-boina dia sivily.



