Nirotsaka teo amin'ny tsena feno olona tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Palestiniana tao an-drenivohitra Syria ny laona, ka nahafatesana olona 21 raha nifandona ny tafik'ny fitondrana sy ny mpanohitra tany amin'ny faritra atsimon'i Damaskosy, hoy ireo mpikatroka ny zoma.
“Tsy fantatray hoe avy taiza ireo laona, na avy amin'ny fitondrana Syriana izy ireo na tsia amin'ny fitondrana Syriana,” hoy i Rami Abdul Rahman, talen'ny Observatory. Nanampy izy fa mety ho niala tamin'ny ady tany amin'ny manodidina an'i Tadamon ihany koa izy ireo.
Ny masoivohom-baovaom-panjakana dia nanome tsiny ny daroka baomba tamin'ireo “mpikarama an'ady mpampihorohoro” — teny ampiasain'ny governemanta ho an'ireo mpiady mpanohitra — ary nilaza fa noroahin'ny mpitandro ny filaminana izy ireo.
Lahatsary an-tserasera momba ny taorian'ny fanafihana an'i Yarmouk dia nampiseho fatin-dra sy may niaraka tamin'ny olona nirohotra nanerana ny setroka sy ny feon'ny kiakiaka.
Ny miaramilan'ny governemanta anefa dia efa nanafika ny toby taloha, fonenan'ny Palestiniana efa ho 150,000 sy ny taranany noroahina hiala ny tranony noho ny ady nanodidina ny famoronana an'i Israely tamin'ny 1948. Ny Palestiniana mpitsoa-ponenana ao Syria dia niezaka ny tsy hiditra tao anatin'ilay fikomiana 17 volana saingy niaraka tamin'i Yarmouk mipetraka eo amin'ny faritra miombom-pihetseham-po amin'ny mpanohitra, dia voasarika ho amin'ny ady ihany ny mponina ao aminy.


