Gazety mivoaka isan'andro Hürriyet News
Mijoro manodidina ny fiaran'ny diplaomaty israeliana iray izay simba tamin'ny fipoahana tany New Delhi, India, ny polisy, ny talata 14 febroary 2012. Sary AP
Ny minisitry ny raharaham-bahiny Tiorka dia nanameloka ny fanafihana baomba omaly tamin'ireo diplaomaty Israeliana tany India sy Georgia androany.
“Mijoro amin'ny karazana fampihorohoroana rehetra i Torkia na inona na inona niaviany sy ny anton'izany,” hoy ny fanambarana navoaka tao amin'ny tranokalan'ny minisitera.
“Manameloka ny fanafihana izahay ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra”, hoy ny namaranan’ny fanambarana.
Naratra ny vadin'ny diplaomaty iray sy ny mpamily iray rehefa nipoaka ny baomba fiara tao New Delhi renivohitra Indiana.
Baomba iray hafa nikendry diplaomaty Israeliana tao Tblisi, Georgia no nodiovina talohan'ny nipoakany



