Manapaka ny fifampiresahana amin'ny fitondrana Syriana i Tiorkia, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Ahmet Davutoğlu tamin'ny Talata, andro iray taorian'ny niantsoan'i Moskoa ny fifampiraharahana amin'i Damaskosy ho hany fomba hamaranana ny fifandirana mihamitombo.
“Tsy misy dikany ny fiarahana amin'ny fifampiresahana amin'ny fitondrana izay manohy manatanteraka vono olona tahaka izany amin'ny vahoakany, na dia mandritra ny (fetiben'ny Silamo amin'ny) Eid al-Adha aza,” hoy i Davutoğlu nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety.
Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergei Lavrov dia niantso ny Tandrefana sy ny mpilalao isam-paritra anisan'izany i Tiorkia mba hanomboka hifampiraharaha amin'ny filoha Bashar al-Assad ary koa ny mpanohitra mba hanokatra ny lalana ho amin'ny vahaolana ara-politika ao Syria, nopotehin'ny fifandonana efa ho 20 volana.
“Saika tsy hisy na inona na inona ho tontosa raha tsy misy ny fifampiresahana amin'ny governemanta, ary izany no hany olana mijanona eo amin'ny lalana mankany amin'ny dingana politika,” hoy i Lavrov taorian'ny fihaonana tamin'i Lakhdar Brahimi, iraka iraisam-pirenena momba ny fandriampahalemana ho an'i Syria.
Nilaza i Davutoğlu fa ny fifampiresahana amin'i Damaskosy, mpiara-dia aminy indray mandeha, dia ho dingana iray izay mety “hahatonga ho ara-dalàna ny fitondrana misy rehefa mitohy ny herisetra”.
Olona maherin'ny 500 no voalaza fa maty nandritra ny fetin'ny Eid Silamo nandritra ny efatra andro na dia teo aza ny fampitsaharana ny ady nataon'i Brahimi, izay nilaza fa niharatsy hatrany ny ady an-trano tao Syria.
Brahimi, izay lasa iraka Syriana taorian'ny nandaozan'i Kofi Annan teo alohany rehefa lavo ny drafiny fandriampahalemana dimy, dia handeha any amin'ny Filankevitry ny Fiarovana ny Firenena Mikambana amin'ny volana Novambra miaraka amin'ny tolo-kevitra vaovao hanosehana ny fifampiresahana eo amin'i Assad sy ny mpanohitra.
(Hürriyet Daily News)



