Sambany no hisolo tena an'i Tiorkia amin'ny lalao olaimpika miaraka amin'ny ekipan'ny fanatanjahantena vehivavy taorian'ny famandrihan'ny ekipam-pirenena ny taratasiny hilalao amin'ny lalaon'i Londres tamin'ity fahavaratra ity.
Nandresy an’i Polonina tamin’ny seta telo mahitsy (25-22, 25-22, 25-19) ny ekipam-pirenen’ny volley, nomena anaram-bositra hoe “Sultans”, mba handresena ny fifanintsanana amin’ny lalao olaimpika natao tany Ankara ny 6 mey.
77 minitra monja no nilain’i Tiorkia mba hamaranana ny fifanintsanana tamin’ny fandresena rehefa avy nandresy an’i Bolgaria, Kroasia ary Alemaina teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona sy i Rosia tamin’ny lalao manasa-dalana tamin’ny fiandohan’ny herinandro lasa teo.
Hurriyet



