Nihiaka hoe “Allahu Akbar!” ireo mpanao lalàna Arabo! (“Lehibe Andriamanitra!”) tao amin'ny fivorian'ny Knesset (parlemantan'i Israely) androany (Alarobia) raha nankatoavina ny famakiana savaranonando ny volavolan-dalàna mampiady hevitra izay mandrara ny fampiasana fanamafisam-peo hanamafisana ny antson'ny silamo hivavaka (adhan).
Ny volavolan-dalàna dia mametraka lamandy ho an'ireo mandika izay mitentina eo anelanelan'ny $1,300 sy $2,600 ary mikendry ny hanakana ny moske tsy hampiasa fanamafisam-peo hanamafisana ny antson'ny Silamo hivavaka ao Israely sy Jerosalema Atsinanana nofehezin'ny Israeliana.
Ity volavolan-dalàna ity dia mamolavola adihevitra momba ny olana eo amin'ny fanajana ny lalàna sy ny fanajana ny fahalalahan'ny finoana.



